NY  MIFANKATIA


	Ref :	Izay rehetra antenaina ho fiononam-po
		Dia hanjary rava maina
		Sy afoy avokoa '
		Fa fandalovana eto an-tany tsy mba hoe doria
		Setrin'izay ny mifankatia


	Tsy misy fanahy azo inoana
	Afa-tsy i Jeso be fitia
	Eny satria izy taty
	Nahita ireo tsy rariny
	Hatramin'ny hoe kibo noana
	Efa nanjo azy tety
	Fa noreseny ny tany hitondra soa


	Fa saingy izao koa no tsarovy
	Hivaly aminao ny ataonao
	Tsy iray na roa no anaovantsoa .
	Dia efa iandrasam-baliny
	Ny fonao madio no arovy
	Ndrao fakampanahy no mankao
	Hoe izay sakaizako ihany no tiako koa


	Tonony sy Feony :  Bessa
	Mpihira : Bessa - Bodo

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)