NY  VOAMAINTILANY


Manao alin-kely ny eny Ambohidrapeto
Mitafy hazavana ny any Andriantany
Tsarovy lalandava fa ny fiainana eto
Mizara toko roa toa voamaintilany
E tondraka ririnina ny eny Tsimbazaza
Ka an-kitrokely ny ony eny Ikopa
Tomany ny kamboty k'injao mivazavaza
Ny velon-dray kosa mandihy mitopatopa
Dia toy izany hatrany ny fiainana eto an-tany
Ka lasa ny vinany mandinika an'izany
Raha mifamadika eto ny hehy sy ny sento
Karohy ny fanafody, raha hitanao dia ento

Toa hitako mangirana an'eritreritra ary
Fa taolana makiana mitafy vovon-tany
Ny olona rehetra salama na marary
Dia taona azo isaina dia rembim-pasana any
Hatrany am-piandohana nitady ody aina
Ka mandrak'androany dia mbola miala maina
Raha tonga ny fotoana hipitrapitra foana
Tsy misy mahatana ireo hava-manoloana
Ny fiainana miserana k'andeha hifankatia
Toera-manahirana k'avia mifanampia
K'andeha mba hanahaka ny voamaintilany
Ny mena sy ny mainty mikambana hatrany


Justin RAJORO


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)