NY ZANAKO
Ny zanako mantsy ka zanako
Izy no hany fananako
Izy no tompon'ny aiko
Mpandidy sy tena mpibaiko
Nilomako rano tsy tiana
Namoizako ireo fifaliana
Niankinako rindrina irery
Ka tsy nilako mpijery
Ny zavatra vitan' ny tanako
Dia nataoko mba ho an'ny zanako
Ka na inona loza hiantra
Ny zanako tsy mba ahantra
Aina avy amin' ny aina
Ka tsy afoiko hiferinaina
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)