O ! RALILA


O ! Ralila andeha isika hody
Mba homba ny fody fa latsaka ny alina Ralila
Zavavin'ny andro nisintaka antsika eny am-paran'ny nofy
Miantsa ireo ora sy ilay fahagola nindramana fofy
Ho haolo mitsinjo ilay topi-maso narindrina teto
Mihaino lokanga tinendrin-panahy any an-koatra ny sento

O ! Ralila andeha isika hody
Henoy ry malala ity sentoko adala sy kiboko manina hatsembohana
Ikaky any mantsy ka lany hatsembohana teny amin'ny andro
Tsy mamantan-kanina
Ineny variana mampiditra omby sy revo mahandro

Raha tsontsan'ireny ka ravina maina hono sisa eo ry lahy
D'ireo ranomaso no sisa tovozina hamono tsiahy
O ! O ! O ! Ralila, andeha isika hody
Eny Ralila, aza tia filafila, andao, avia
Ho tantanako
Andrao tafitohin'ny hetran'antsoro
Ka potraka irery fa etsy an-kavanako

Ny aizina bamba tsy manjepizepin'ny senton-jorery
Henoy izany kotroka re mampanita eny amoron-kariva
Mifeo i Trimobe mivoaka hiremby k'andeha hanadiva
O ! Ralila andeha isika hody


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)