O !  IZA !  IZA !


1.
O! Iza ! iza !
lza no hamonjy ahy re
Fa reraka aho
Fa dia reraka milonjy entam-pahotana
Fahotana be !
O  Manantona
Manantona an'i Jeso
Fa izy ihany
Izy no hamonjy anao
Fa noreseny,
Efa noreseny, na ny fasana aza
dia ny Fahafatesana
Ny fasana aza, efa noreseny izao
ny fahafatesana ilay Fahavalonao
Ka mba mifalia, mifalia ianao fa Jeso 
Jeso Tompo no Mpanavotra anao !


2.
Ry Jeso Tompo 
Ry Jesosy Tompo ô
Mba raiso re ny foko ho anao izao
Fa famonjena
Fanavotan-dehibe sy avotraina koa
No he ! Atolotrao !
Fa novonoina
Novonoina ianao 
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay 
Fa noresenao 
Efa noresenao, na ny fasana aza
Dia  ny Fahafafatesana
Ny fasana aza, efa noreseny izao
ny fahafatesana ilay Fahavalonao



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira :  Chorale Ambohitantely


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)