O ! RAY FODY AN'ALA
O ! Ray fody an'ala ô
Aza homana ny varim-bahoaka ianareo
O ! Ray fody an'ala ô
Fa tsy rariny izany zareo
Ny mivoky amin'izay tsy nanasatra
Miampanga ny saina tsy tsara
O ! Ray fody an'ala ô
Izany no ankasomparana mantsy
Aza ataonareo fanao
O ! Ray fody an'ala ô
O ! Ray fody an'ala ô
Aza homana ny varim-bahoaka ianareo
Izy ireny anie ka nanasatra
Nandaniana harena sy vola
Kanefa ianareo kosa
Tsy namafy, tsy nijinja
Nefa dia mamantam-bonona
O ! Ray fody an'ala ô
Aza ataonareo ho fanao
O ! Ray fody an'ala ô
O ! Ray fody an'ala ô
Aza homana ny varim-bahoaka ianareo
Ny alahelo anie ka misy todiny
Ny atao rehetra dia miverina
Ka mitandrema tsara ihany
Ry ilay tsy mieritreritra
O ! Ray fody an'ala ô
Aza ataonareo ho fanao
O ! Ray fody an'ala ô
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)