O  RY  TSIRIRY


O ry tsiriry izay mandalo
Ho roso ho aiza izany dia ?
Izany foko dia mimalo
Raha tianareo mba mivilia.
Fa singan'olona manjeny
Ka mba toroy izay hahavatra
Dia aza menatra miteny
Na aza hilaozana hahantra.

O ry arosy mianatsimo
Ho aiza no hamonjy akany ?
Nahoana no mirimorimo
Jereo 'ty foko toran-tany
Fa manan'olona andrandraina
Kanefa koa tsy antenaina
Izany foko mitaraina
Dia toa hihafy toa hangaina

O ry vorom-potsy manirery
O ny sento lava no lalao
Nilaoza-namana ho very
Ny foko tia misento anao
Izaho no raozy tia lolo
Mivezina atsy sy aroa
Mitety sady manimbolo
Kanefa toa tsy hahita soa


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)