OMENA ANAO
Ny fahazazako
Sy ny nofy tao
Samy nangalako,
Natokako ho anao
Zay rehetra lasa
Sy zay mbola kinasa
Foiko manontolo omena anao
Ny hatanorako
Voninkazo soa
Tsy mba norarako
Notoazako avokoa
Dia nataoko amboara
Mirindra sady tsara
Foiko manontolo omena anao
lty tononkalo
Zay hiraiko ity
Tsy ilan-takalo
Fa vokatra fitia
Hatramin'ny aiko
Zao ihany no lazaiko
Foiko manontolo omena anao
Tonony sy feony : Bessa
Mpihira : Bessa
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)