RAHA MOMBA

         Ny tsy mba miteraka hono
         Dia maniry ny mba hampinono
         Mitsiriritra ny zanaky ny olona
         Ho sangiana sy hitolontolona
         
         Ny tsy miteraka anie ka mangidy
         Ny zaza dia tsy mba voavidy
         N'inon'inona vola eo an-tanana
         Raha tsy anjara dia tsy mety manana
         
         Ny tsy miteraka dia mavesatra
         Manangana zaza mahantra
         Mikolokolo ny tsy an'ny tena
         Mandova ny vola sy harena
         
         Ny tsy miteraka anie ka mangina
         Fa tsy misy ho rotsirotsiana
         Tsy mba manana ankizy antsoina
         Ny an'ny hafa no safosafoina
         
         Fa hoy ny tenin'ny mahay milaza
         Anjely jamba hono no mpizara zaza
         ka izay misy mitomany ihany
         No hanaterany betsaka hatrany
         
         Naly R.
         

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)