RAHA SANATRIA
Raha sanatria
Sanatriaviko fa tsy iriko ho anao,
Sanatria hoy aho, misoko ao am-ponao
'lay fitiavana ahy nolavin' ny sainao
... Ny saintsika !
Ka sanatria ...
Misy embona mamohafoha fanahy
Na tsy nenina aza, fahatsiarovana ahy
Tsy mibitsika intsony fa mikiaka
Dia izao :
Antsoy aho, antsoy aho
F' izaho anie tsy hendry akory
Fa tena adala
Very malala !
Ka izao :
Antsoy aho, a ntsoy aho
F'izaho anie mahantra, ary
saingy mangina
Satria niniana
Raha toa ity
Efa iainanao ny fiadanam-po
Ao an-tokantrano ampoky ny soa
nokatsahinao fahiny isika roa
vao nikasa !
Raha toa ity
Efa azonao tokoa 'zay nirinao
Miaina sambatra eo anilan'ny tianao
Avelao hivalona any izay lasa !
Avelao !
Aoka ihany, aoka ihany
F'izaho anie tsy hendry akory
Fa tena adala
Very malala !
Avelao !
Aoka ihany, aoka ihany
F'izaho anie mahantra, ory,
Saingy mangina
Satria niniana
Tonony sy Feony : Bessa - Mpihira : Voahirana
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)