RAKOTO  FRAH


O Rakoto !
Tsofy ny sodina hiaraha-mifaly
Fa samy tary
Hainga-panahy avy any an-tsaha
Ny ao anatinao izay natobakao
Ka tena favy

O Rakoto !
Voarotsinao tamin'ny sodinao
Izao tontolo izao
Toa mitsangam-bolo, nisy nitomany
Tsy nahafoy anao, tsy namela anao
Ny handao lampihazo

Tazako an'eritreritra any
Ilay vohitra kely nilaozako ry tonaka e !
Tsinjoko manerinerin'any
Ny any Fianarana any anie ry namako
Mbola hafa re

I Besorongola aza raha nandre
Ny sodinao dia efa nikorisa
Avy any Ambozontany
Hatrany Andavale
Nihevona ny maty
Hatrany am-paradisa

O ! Rakoto
Sitraka sy telina tsy hay nafenina
No nataoko vazo
Mamy toa fary, madio toa fotsim-bary
Ny fahatsoranao, ny fahaizanao
Maharavoravo


Erick Rafilipomanana


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)