RATRA MANARINA
Ianao naratram-pitia
Fa nanaonao foana
Namitaka ianao .
Kanjo namoy ilay tianao
Izay tsy mety avelao, izay tsara tazony
Dia tsy hisy intsony ny fahorianao
Tsy very maina, fa nilaina ny ratranao
Hanarenanao ny hoavinao .
Izay tsy mety avelao, izay tsara tazony
Dia tsy hisy intsony ny fahorianao
Satria nifoha ny sainao ilay saika natory
Ka mifona ianao, mivalo ianao, tsy anindroa
Indro nody aminao tsy niova kory
Ilay olon-tianao mbola tia anao
Tsy very maina fa nilaina ny ratranao
Hanarenanao ny hoavinao
Indro mody aminao tsy niova akory
llay olon-tianao mbola tia anao
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)