RAZERY
Ahoana hoy aho Razery ilay valin-taratasy
Izay nalefako ho anao, fa mba ilaiko valin-teny
Ny foko izay nifidy, sady efa voakilasy
Te hanambatra fitiavana, amin' ny fonao raha toa ka ekeny
Fa raha fitia teritery, dia indro mankarary
Ndrao dia alaky tonta, ho tonga zezika fanary
Fa ianao no mihevera, sy manaova teny miera
Izaho anie ka tsy mba vera, ka ho vaky raha azera
Razery ! Razery ! aza anaovanao fangalam-piery
Razery ! Razery ! jereo 'ty foko manirery
Razery ! mba tombatombano kely ity mason-jorery.
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)