ROMY
Toa nilatsaham-baratra aho nandray ny taratasinao
Milaza fa tsy mety intsony ny hiarahako aminao
Ny maso foana no manganohano, mivontirika e Romy
Ny malotro aza maina kina, sina sy mangahihay
Niverina namaky fanindroany toy ny adala eny aho
Tsy nety nino fa tinapaka sy saraka aman-taho
Nivenjivenjy toy ny ravina entin'ny tadio eny aho, Romy
Tsy nisy tanjona mba hifaharako ahay
Romy ô, Romy tiako indrindra
Mangaina anie ity izaho
Manjahatra sy mitakiky
Tsy ambany aho anefa ka hitalaho
F'aleoko vaky fo toravana sy manjokaiky
Toa nilatsahambaratra aho nandray ny taratasinao
Nikasa hila resaka mitokana aminao eny aho
Tsy Zanahary anefa ianao ka hoe
Hitomaniako indray Romy
Zakaiko samy irery ihany re ny fahoriako
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Ny Railovy , Njakatiana
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)