RY  LALA  TSY  MAHITA  NY  FAHORIAKO


Ry Lala tsy mahita ny fahoriako
Mba faingana hitondray fifaliana
Ity silaky ny aina
Dia mijaly f'efa lavitra anareo
Ka ory sy misento irery

Ry vorona sendra mandalo
Lazao e ! Lazao an'i Lala ity fahoriako
'Ty rivotra sendra mifofo
Lazao 'lay hany tiako ny fijaliako

Voageja hoe, voageja 'lay tsintsina keliny
Kanefa tsy mivadika 'zay efa nekena
Mba faingana fa mila tsy ho tanty Lalako ô 
Aza ela izany havako izany


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)