RY VOLANA FENO
Ry volana feno sy manganohano
Mba fatratra lahy (2)
Fonosin'ny aizina nefa tsy rava
Ka tsy mba manahy (2)
Ampianaro ahy ny toetra mazava
Fa mamiko kosa (2)
Mamiratra mantsy no sady baliaka
'Lay eny sariaka (2)
Ry volana feno fonenan'ny tsiahy
Iriako mba ho ahy (2)
Am.... ny foko sy santa-pitia
Fanilon'ny dia (2)
Ampianaro ahy ny toetra mazava
Fa mamiko kosa (2)
Mamiratra mafy no sady baliaka
'Lay eny sariaka (2)
Barijaona
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)