RY FOKO
Ry foko mitonia raha sendra alon-drano
Ny hotakotakao aoka mba ho sarin' ady
Ny rangotry ny anio, hanolatra atsy ho atsy
Ka aza dia mitroatra banjino ny ho avy
Aza tomany raha nindaosin' ny onja
Ilay fanantenana ka nidify dia tsy híta
Ny horohoronao zary dobok' amponga
Hiandrasana ny ampitso hitondra ny maraina
Ry foko na dia tsy mora izany hoe manadino izany
Dia ao ny fotoana hamolavola tsy hanjokaiky
Ny fendrofendronao hivadika ho hira
Hikalo ilay Mpanjaka ny hazavana
Tonony : Bodo
Feony : Bessa
Mpihira : Bodo
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)