RY RAHONA MANDONDONA
O ! ry volana iry
Mba hazavao ny aizim-pito
Nifandiso ny abidia
Fahoriana no manjo
Izany foko fahiny
Te hisantatra ny dia
Dia voarara ankehitriny
Hamily izany dia
Lalan-tsaina no simbana
Ka nitady hazavana
Ianao no fanilo
Izay hiriko mba hitsilo
Aina kely manjoretra
Aina mitampifipify
Voageja, voafetra
Ka tsy afaka hidify
Ry rahona mandondona
Ry orana manjombona
Nankaiza ny masoandro
No maizina mbola atoandro
Ry lanitra mimalo
Ry tany fahavalo
Ry fiainana mandalo
Aoka fa mivalo
Nilatsaka sahady ve
Ny sento marobe
Hono re ry lahatra
Ny saiko ve hanjahatra
Miomana fa hamoy
Ny mangidy no sotroy
Fa mahery ilay ankaso
Akaiky izao ny ranomaso
Justin RAJORO
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)