SAINGY  TSY  FOINAO


Fa hoy ianao hoe :
Tsy maintsy hijaly Ianao
Ary ho faty noho ny ota
Kanefa koa rehefa afaka hateloana
dia hitsangana . .
Nisy tsy nety nino, 
Nisy tsy nanam-po 
Kanjo tanterakao . .
Ny teny izay nomenao 


Ankehitriny vita ny avotra
Ary tontosa ny famonjena 
Tsy nahatàna Ilay maherinao
ny fahafatesana
Saingy mbola malemy
Sy kanosa izahay  
Mbola tsy sahy mijoro
Ka todiho sy jereo

REFRAIN :
Taiza  moa  'zahay Jeso ô toy izay
raha nilaozanao noho ireo otanay I
Saingy tsy foinao,
Jeso ô ! izahay
Fa navotanao hody soa anin-dRay


Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Chorale Ambohitantely


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)