SAKAIZA  FAHAZAZA


Naleoko re raha azo hatao
Ilay sakaiza fahazaza
No hiarak'amiko hatrizao
Sy hatrany am-pasana aza

Hifampitantana hatrany
Hiara-paly sy hisento
Eny na aiza na aiza izany
Mandram-pialantsika eto

Aleoko raha misafidy
Hiray kapoaka aminao
Ka na ho mamy na hangidy
Dia ekeko tsotra izao


Andrianary RATIANARIVO


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)