SANATRIA  SANATRIA


Sanatria sanatria sanatria izay rano raraka
no ho raofina indray fa satria tsy foy.
Sanatria, sanatria, sanatria raha tafasaraka
nofy izay tomany f' aleo mamoy
Raha te ho olona afaka 
Aleo solafaka avy eo miarina indray
Hafa ny miravaka
Ny vanginy raha matinao ny  voay 
Sanatria, sanatria, sanatria izay rano raraka 
no horaofina indray fa satria tsy foy raha tafasaraka
Sanatria, sanatria, sanatria raha tafasaraka
nofy izay tomany f' aleo mamoy .

Sanatria, sanatria, sanatria raha tovolahy iray 
no sendra tsy tiaka hatao hankahia
Sanatria, sanatria, sanatria izay ho mandrakizay
fa voangaly angaha ka ho faty eo doria 
Raha ravinanintsana 
no ekena ho vintana ny sisa no amboleo
Hiseho ho anao ny kintana
mitraką : io lanitra io jereo .
Sanatria, sanatria, sanatria raha tovolahy iray
no sendra tsy tia ka dia hankahia 
Sanatria, sanatria, sanatria izay ho mandrakizay
fa voangaly angaha ka ho faty eo doria

Sanatria, sanatria, sanatria izay manta vary ve
no hamoizam-po fa hoe voan' ny manjo
Sanatria, sanatria, sanatria ny handevin-tsotrobe,
ny sisa no atao mba ho soa kokoa
Rehefa tonga eo ny alina 
tonga koa ny aizina ka indraindray mankalao
Nefa inoanao marina ho entiny ny maraina vaovao
Sanatria, sanatria, sanatria 'zay manta vary ve
no hamoizam-po fa hoe voan' ny manjo
Sanatria, sanatria, sanatria ny handevin-tsotrobe,
ny sisa no atao mba ho soa kokoa 

Tonony :  Aina
 Feony  : Bessa
 Mpihira: Landy


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)