SATRIKO
Satriko tsy hilentika iny masoandro iny
Fa sompatra ny alina
Satriko ho mavana irony ahi-maitso
Fa tonga ny ririnina
Satriko tsy ho levona ny afo nanafana
Fa lasana lavenona
Satriko tsy hisaraka ny tana-mifandray
Fa sendra tadio
Sy orana vaventy
Tora-defona mafonja
Ka milofika tsy fidiny
Tsy iriko (2) ny handratra ny fanahy
Ankiroa nifangia fa tendrin ny ao ambony
Izay no fiononako sy valin-tonom-bavako
Raha lasana aho anefa ny foko hitahiry
Lay nofy mamy teo
Fa izay no sisa heriko ahafahako milanja
'Lay alahelontsika .
Feony : Bessa
Tonony sy Mpihira : Bodo
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)