SOA
Soa fa misy ny famoizam-po
Saika hivarinanao
Raha tsy izany fomba ahoana moa
No ho nahitako anao
Soa finitak'olon-tiana ianao
Ka toy ny very fanahy
Fa izay no nahatonga anao .
Tsy hanifikifika ahy
Fa tsikaritrao ny ratrako
Ka dia tohina ny fo
Na ny ferinao no tsapako
Fa nanomboka ho lo
Soa fa handeha hivaro-tena ianao
Tsy ankifidy izay mpandray
Fa dia tafahaona izaho sy ianao
Ka nitambatra ho iray
Soa fa misy Andriamanitra
Antra sy onena koa .
Izay nanova ho mahafinaritra
Ny fimalontsika roa.
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Solo
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)