SOGA KELY

Soga kely, rovidrovitra
No mba hany teny an-kodiny
Tsy mba nisy kely akory
Bodofotsy notinafiny
Ka misento ny ao am-po
Mangatsiaka be ny andro
Mamanala be tokoa
Fa nilaozan'ny masoandro
Mamirifiry hatrao am-po
Fa raha mandalo any ianao
Azafady re mba lazao...
Izy hono hoe tsy maninona tsy akory
Ka aza malahelo foana
Mbola ho avy ny fotoana
Hiverenany indray...
Amin'izay fotoana izay,
Ny androm-pihafiana ny rivo-pijaliana
Ho efa lasa avokoa


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)