SOMPATRA


Sompatra itony mpialona
Tsy mataho-tody itony mpisompatra
Raha ny fitiavana tsy nangalarina “ !
Nefa somparany tsy hiorim-paka

Tia anie aho : tsy avelan'i Dada
Manina anie aho : sakanan'i Neny
Aza manody, aza manangatra
Fa mbola tia kanefa nosakanany “ !

Anaran-tany i Soavinandriana
Fitsangatsanganana mahasondriana
Maika raha miaraka roa na telo
Ny masoandro maty no mampalahelo

Tsy hitako anie 'zay anaovako anao, Lala “ !
Ataoko ao aloha tsy mahatari-d…lana
Ataoko ao aoriana toa olo-manaraka
Tsy hitako anie 'zay anaovako anao, Lala “ !

Sompatra itony mpialona
Tsy mataho-tody itony mpisompatra
Raha ny fitiavana tsy nangalarina “ !
Nefa somparany tsy hiorim-paka


Barijaona


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)