TADIAVO  JESO



Moa ny entanao ve mila tsy ho zakanao
Fa mandia irery lalan-tsarotra ianao ?
Tsapanao ho very sy mahantra ve ianao ?
Jeso no antsoy fa Izy hanampy anao


Ny fiainanao ve mampivadik' atidoha
Ny hoavinao ve tsy azo antenaina koa ?
Efa mila hamoy fo sady kivy ve ianao ?
Jeso no antsoy 'zao ankehitriny  'zao


Izay vavakao tena avy ao am-po
reny avokoa
Ka valiany ianao isan' andro izao,
hasiany soa 
Raha sendra manjo
Tadidio f'izao atao :
Tadiavo Jeso, Izy mitady anao !



Tonony : Bessa
Feony : Ralph Carmichael


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)