TAMBITAMBY


Raha toa tsy nahomby ny tetik' ady 
Natao hampiova ny toetra ratsy 
Jereo izay tsy mety fa aza kivy
Fomba hafa indray atao
Ny kitakita miampy levilevy
Izay na mpiasaina toa zary nandamoka
Vaka ny saina fa toa tsy mba nandaitra
Izay fananarana atao
Dia valaketraka eo mikaroka fitaiza
Lalàna miaramila angamba 
Sao dia mainka koa manimba ny toe-tsaina
Hataho-tsazy vao hiezaka
Tsy ny kapoka fa fitiavana  
No fanoitra tena soa
Zao mba handramana
Ny tambitamby no atao



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bodo, Lola


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)