TARATASIKO
Hafiriana no tsy nihaonantsika roa tety
Nifandimby ny taona, lavitra anao aho
Tena manina anao.
Tsy niova fa maresaka ny eny Analakely
Mifanosika ny olona, mifanjevo kely
Maika ho aiza ianao
Efa ela aho no te hiresadresaka aminao
Avelao aho hirediredy, hiadaladala
Vetivety ihany
Efa be dia be no nataonao
Be dia be no mbola miandry anao
Saingy vahotra ny lela, ny saiko koa mivena
Mifangaro ny sary nangoniko ho anao
Efa ela no tsy nandrenesako anao
Bitsibitsika fitiavana, tarnbitambinao
Tsy avelako ianao
Reko fa nisendaotra, nivonto ny fonao
Te hivoatra, te hioitra, hiova lālana marina ny anao
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)