TOAKA  TAPANY


Raha sakaizako tokoa ialahy amy fo madio .
Ividiano toaka tapany aho himamoako anio
Aza asin'ialahy miresaka aho fa tsy tantiko
Efa mila toa hitresaka ny ato anatiko .
Dia vonoy fa aza arehitra ireo jiro ireo 
Aza asian' ialahy adihevitra f'a velao ho eo
Ary andehàna koa mandeha ialahy, fandrao bediko 
Raha sendrasendra ren'ialahy ny redirediko
Dia akatony mora, io varavarana io
Sao misy manakora fa mano aho anio amin 'io toaka io 
Tsy maintsy afeniko an' ialahy
Fa tena hadalàna ny ahy 
Na zandrikely tia ahy sy tsy foiko aza
Tsy afaka aho hilaza...
"Fa nahoana "  hoy ialahy mantsy ahy " no hisotro ianao "
" Sao dia mba manimba tena lahy, fa tsy fomba izao "
Tsy afaka nilaza marina aho izay antony ;
Fa  " Rehefa tsy hividy " hoy aho  " tsy misy antony ! "
Fomban-jandry amin-joky moa, mila anatra
Sady atao filàna toky koa, no mba mianatra...
Efa manana olon-tiana ialahy ka namborako :
Nila ny hevitro mangina ialahy fa hanoratra 
Dia teny soa mirindra
Sy hira tsara indrindra
No valin-taratasy nasaiko natao
Hoe karazan-daolao
Hay ity olon-tian' ialahy
Dia' lay nambabo ny fanahy
Ka nampivarahontsana ahy samirery
Tonga mila hery...

Manambady aman-janaka aho, sady tiako ireo
Tsy mba mahatsiaro lanaka aho miasa hoan'ireo
Saingy angamba totoim-bintana aho ka miavaka .
Te hanakatra ny kintana ho firavaka !
Satria tiany ialahy .
Andeha lehiroa 
Tanteraho, ilay nofinofiko 


Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)