TOJO  ANAO



Tojo anao aho ka dia mirana
Afa-po fa tsy ho sahirana
Hitady naman-kafa intsony
Satria ianao dia fiononana
Nihaino am-po ny fitarainako
Nahatsapa ny fanaintainako
Nanisy lanja indray ny fiainako (bis)


Tojo anao aho ka dia mirana
Afa-po fa tsy ho sahirana
Hitady naman-kafa intsony
Satria ianao dia fitiavana
Nampahatsiahy ny hadisoako
Indrindra tamin' ny namonoako
Fitia nitoetra tao am-poko (bis)


Tojo anao aho ka dia mirana .
Afa-po tsy ho sahirana 
Hitady naman-kafa intsony 
Satria ianao fanantenana
Na tsy fantatra aza ny androko
Na fohy na lava dia ho andriko
Hiandrandrako ny masoandroko (bis)



Tonony : Aina
Feony : Bessa
Mpihira : Bessa sy Lola



    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)