TONGAVA
Tongava ry andro korana
Hihaonan'ny tia sy ny tiana
Hanaovana fety mafana
Ho andro fifalifaliana
Tongava ry andron-dalao
Aza ela figadona manko
Fa izahay efa maika hanao
Izany antsa sy hira manako
Tongava ry andro malaza
'Lay tokana hoatra ny zato
Hifaly hatramin'ny zaza
Hirebika tsy mba hiato
Tongava r'ilay andro soa
'Lay andro tsy misy toa azy
Ilay andron'olon-droa
Ny andron'ilay mariazy
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)