TOVOLAHY  SY  TOVOVAVY


Be ny tovolahy, tovovavy
Maika loatra ny hanambady
Matim-bika sy tarehy
Ka tsy mikendry ny hiafarana
Raikitra eo vao te hiala
Mandositra ny tokantrano

Ka loza aman-tany fa fikorontanan-dava
Mifamono afak'aina samy entin-kambom-po
Mionona re sombinaina fifandeferana no tsara
Ajanony ny adiady mionona raha sendaotra
Fa ny vady anie solon-dray, solon-dreny tsy fanova
Raha mananatra mba henoy, raha miteny mba araho
Dia ho paradisa ny tokantrano
Havana ka malaina hanan-dratsy, tiana ka tsy azo isaorana
Adidinao no mandinika izany


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)