TOY NY NOSY KELY
REFRAIN :
Toy ny nosy kely
Azonao iantsonana
Raha sendra tafiotra
Dia ho toy izany aho
Toy ny kitan-kely
Mitsilopy azo izorana
Ao anaty aizim-pito
Dia ho toy izany aho
1.
Miainga izao
Ny sambom-piananao
Handeha hamakivaky
Ny ho avy tsy hita lany
Soavadia
Tojoa izay rehetra iriana
Sambāra eo anilan' ny tiana
Kanefa raha misy manjo
Toy ny nosy kely...
2.
Hatanorana
Fanevam-pahazavana
No toky ento hitana
amin' ny lalan-kombāna
'Ndeha fa veloma
Masina raha tsy hihaona intsony
Raha sendra manonja ny ony
Toneo tsy ho kivy ny fo
Fa,
Toy ny Nosy kely...
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)