TRARANTITRA


Trarantitra o
Antsoin'ity Praiminisitra o
Efa miongana nitsirara
Satria tsy mendrika, tsy tsara

Misy todiny ny atao rehetra
Tsy hitserana izay tsy mitsetra
Ny lanitra no mahita izany
Mahalala koa 'tony tany
Ka aoka tsy hisy adi-hevitra
Izay manao ratsy tsy hangovitra
Veloma no aoka hatao
Hamaranana ny teninao

Izao ve no valim-pitia
Ry olombelona miria
Ny soa nataonao azy
Mivadika ho tonga sazy

Ny soa tsy mety very vao o
Ny ratsy mitahiry fery o
Hihetsika any aoriana o
Hanome fahoriana o
Fa loza mihantona ireny vao o
Manaraka ombieny ombieny

Na ny tenako na ny tenanao
Dia samy todian'ny atao


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)