TSA  ANGANO


Ieh ! Manao azafady aho roa ona !

Tainö indraika fa mba te-hilaza raha any aho
Hilaza ny raha tsy maintsy hiafarana e roa (2)
Atsika olombelona dia vana hody vovoka (2)
Eh ! Fa ny fanahy io tsa mba mety maty e (2)
Na 'zay nanao ny soa e izao na ny nanao ny ratsy endry e (2)
I' aby ireo moa dia vana ho tsaraina koa (2)
Ah ! Ary ny Mpitsara dia Andriamanitsa ao an-tampon'ny loha (2)
'Zay nataon-tsika tatoy any ho valeany tokoa (2)
Eko ny toerana eroa izao dia mizara roe
Ieh !

Tsa anganongano na arirarira ro lazaiko e (2)

Voalaza fa ny toerana moa dia mizara roe
Ny amin'ny fijaliana eroa sy ny toeran-tsoe endry e !
Ny toeram-pijaliana atao hoe " afobe "
Ary ny fiadanana atao hoe " paradisa "
I' roa ireo dia tsa mba lalovana aman-taona
Fa ny " mandrakizay " any ro anaran'ny fe-potoana
Lehe anao hisafidy ny handeha ho anan-danitsa
Ay ! Ano mampoa ny Tompo Andriamanitsa
Sy anao moa hitondro ny ho any amin'ny afobe
Ny lalana ho any any malalaka be
Jesosy ro lalana hiakarana any an-danitsa
Laky ao ny milaza fa io Zanaharin'ny Vazaha e !
I' irery ihany ro tsy maintsy misandratsa
Eh ! Manerana ny tany, manerana ny lanitsa
Jesosy irery ihany ako ro Zanak'Andriamanitsa
Natao hanafaka atsika amin'ny fahotana r'olo e !
Ieh !

Tsa anganongano na arirarira ro lazaiko e !


Tonony sy Feony : Adeline


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)