TSARA  IAFARANA 



Miriorio foana ny angidina
Tsy mankaiza tsy akory
F'izay ny fombany
Misavomboana dia midina
Ka mianjera any an-kady rehetra any
Vola no maha be rehareha
Ka mazana jqmba ny maso voatakon'io
Nefa ny mibirioka fandeha
Zohin-tsiny lava ka tsy mba madio


Kendreo izay ataonao
Saino lanjalanjao
Mandalo ihany izao eto izao
Fidio ny mba ho soa
Nefa tandremo koa
Sao diso aoriana ka voa


Harena sy voninahitra
Rendrarendra irina sy ifandafarana
Fa mbola hafa maharitra
Ny fitiavana tsara iafarana



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Rija Ramanantoanina sy Lalatiana




    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)