TSOFIKO  RANO  RAFARANIAINA


Tsofiko rano Rafaraniaina
Hahatontosa ny zavatra ilaina
Tsy hisy hisakana itony fitia
Satria ianareo efa vita sonia

Ny angolam-pitiavanareo hamafiso
Fa ny fanantenana efa diso
Ry velona koa ny eto anie ngirifiry
Ny adidy aminao ambolen-tsy maniry

Fa ny ahiahy razandry atsaharo
Ianao sy ny tiana efa vita mpiaro
Ny adidin-dRamialy efa tapitra teo
Na soa na ratsy inty ny havanareo
Na soa anie na ho ratsy ento fa havanareo


Justin RAJORO
("Zanaka malemy", Wast Ravelomoria)


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)