TSOFY  RANO


Mba tsofy rano izahay Zanahary mba ho tafarina
Fa tafahitsoka anaty aizina lalina
Tsy mahita andro miratra
Mangeja mafy re ny fahantrana be, ny hetraketraka
Miharatsy ny saina, ny tena voasarika hangalatra
Tsy mahita hanin-ko hanina

Lahy tokana ny aina ry zareo
Ka tsy maintsy tsinjovi-matetika
Miandry ny ankizy any an-trano
Tsy maintsy mihinana
Herin'andro tsy mivalana

O ! Gasikarako o !
Fa loza inona ity nahazo
Malazo tsy hin…nana ravinkazo
Tsy voavidy vola ny mangahazo
Ny takalo-patsa efa lany vazo


Erick Rafilipomanana

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)