TSY  HAIKO


Izay tia atao hoe adala :
Fa mila olon-kendry miala
Kanefa dia tsy haiko
Ny tsy mitia anao

Hita izao fa hoe fahotana
Sy fandikāna lalāna
Kanefa dia tsy haiko
Ny tsy mitia anao

Tahaka ny rano an'ony
Izay tsy maintsy hivarina any
An-dranomasimbe 
Toy izany koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry
Tsy maintsy haleha
Koa raiso ny tanako
F'izy ombanao dia hombāko
Satria tsy mety haiko
Ny tsy mitia anao



Tonony sy Feony : Bessa
Mihira : Liva Andrianavalona


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)