TSY IZANY NO ILAINA
Tsy vitam-po onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry " andraso "
Tsy azo ifanerena
Mila fandavan-tena
Sy hery avy ao anaty
Herim-po, herin-tsaina koa
Réfrain :
Na onena ny fo
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana
Ny mpianatry ny Tompo
Nasaina nifanompo
Na mamy na mangidy
Miara-dia f'izany no didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po
Feony : Bessa
Tonony : Aina
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)