TSY  MANKAIZA


Eny, lanja-miakatra hatrany ny fiainan'olombelona
Ka tsy maintsy miezaka sady milofo
Amin'ny fitadiavana vola sy harena
Mba ho antoky ny ho avy

Kanefa ento ampahendrena
Ho mendrika izany fandresena


Eny, fadio ny avonavona sy amboambo fa ratsy
Satria nomen'Andriamanitra anao ny harena
Hanaovana adidy amin'ity firenena
Ka mahaiza re mamindra

Ny fiainana tena tsara indrindra
Dia ny fahaizana mamindra


Eny, mifankatiava ry velona an-tany
F'izany no tena tsara sy fahendrena
Satria izay lasa tsy nahazaka harena
Fa nofonosina lamba mena

Ka raha izany ary no jerena
Dia tsy mankaiza izay harena


Jean Colbert Ranaivoarison


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)