TSY  MBA  NOSAKANANAO


Fony aho vao nampianarinao
" T andremo tsara ", hoy ianao
" Aza mitia izay olona efa manambady "
" Mahaiza miaina " , hoy ianao,
" Aza adalaina ", hoy ianao
" Ny manan-tiana sy ny manam-pofombady "
" Mahaiza miala ", hoy ianao 
" Fa be no adala ", hoy ianao 
" Fa na ny manana aza ange mbola mitady "

Refrain : 	Fa saingy tsy nambaranao, na azo atao na hy azo atao
sady tsy nosakananao ny foko tia anao
Fa saingy tsy nambaranao, na azo atao na tsy azo atao
sady tsy nosakananao aho, tia anao.


Ny anatrao 'zao tadidio
fa manontany aho ka valio
Satria ihanao dia efa vita mariazy
" Rah' misy tiana ", hoy ianao
"  Fanambadiana ", hoy ianao
"  Na lalan-tokana tsy mahameloka azy "
Ny vadinao sy zanakao
mbola tianao, voalazanao
Fa n'aiza n'aiza ihanao tsy hahasaraka azy.

Coda : 	Ka ny fitiava ko anao
ataoko ahoana indray izao
fa tsy mba nosakananao aho
tia anao. 



Tonony : Bessa
Feony : Henry Ratsimbazafy
Mpihira : Zoely


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)