TSY MISY TSY HO DISO



Tsy mba misy tsy ho diso
Fa izay mikiry no adala
Ny fitia no hamafiso
Tano mafy tsy hiala
Aoka re tsy ho kirina
Raha toa anarin'olon-tiana
Mibaboha lalandava
Mba ho miramiran-tava


Raha miteny Ndrematoa
Aoka hihaino Ramatoa
Raha mananatra Rafotsy
Aza dia mamotsifotsy


Justin RAJORO


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)