VAHINY MAMATONALINA
Raiso ny valihanao
'Reo hiran'ny fahiny, ry poeta malahelo
Tonga indray ity vahiny ny avelon'olon-tiana
Te-hihaino anao mitendry hirahira mahaliana
Fohazy an-jambajamba any reo akon'ny fiainana
Atodio amin'ny lasa, ny fanahy sy fisainana
'Ndeha hanidina ary isika hamangy irony tany irony
Nanirian'ny fitiavana, niantombohany namohy
Aza miondrika amin-tsento,
O! fohazy ny fahiny
Amin'ny valihanao, fa mihaino ity vahiny
Enga anie ho hita eto, ny lanitra efa nisantarana
Ny tsiron'ny fitia, ny aloky ny fahasambarana
Lohataonan'ny fitia, lanitry ny fanaperana
Indro ny akanintsika, midoroboka mamelana
Indreo ny vorom-paradisa mikalokalo hira manga
'Lay fiainana, fitiavana, indro nofy no mitranga.
. Tonony : Rado
. Feony : Naly Rakotofiringa
. Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)