VALALA MANJOHY
Valala manjohy
Kitsaotsao
Fihavanana mitohy
No aoka hatao
Indreto ny akanga
'Zay miara-dia
Ny toerana banga
Dia sanatria
Valala manjohy
Kitsaotsao
Valala manjohy, kitsaotsao
Na ho lava na ho fohy
Ny andronao
Rahefa adidy tokony atao
Ataovy tadidy
Sao neninao
Valala manjohy, kitsaotsao
Fanahin'akanga
Ianaronao
Indray misolanga
Amin'ny hatao
Rehefa joko
Indray mitoreo
Ratsy ny feo
Valala manjohy, kitsaotsao
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)