VAO MARAINA
Vao maraina, mangamanga
Ny lanitra lolohaviko
E Mazava ny tontolo
Mihodina ny fiainako
Mangaingaina, mitaraina
Ny dinitry ny tavako
Efa ho lava, tsy voatana
Mivena nv fisainako
Hasambarana no tadiavina
Nefa izao
Tsy mbola nety tojo azy
Tsy mbola hitany aho...
Tanako roa, tongotro koa
Potiky ny andro maina
Voloko, ny hodotro koa,
Vasoky ny adin-tsaina
Inty aho,
Raiso aho,
Atolotro ny fiainako
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)