VELO-PO

Sarotsa ny fiaignana, Agnao ihany ro hitaraignana
Ny velo-po no tsy azo avela, Hamelomana ny tegna
Ny velom-borogna no tsy azo avela , Hamelomana ny apela
      Sahiragna ny tatsaha ,
      Fa mafaika ny kajaha
      Ny mbizo lanin'ny kipio
      Ino angaha ro mahatonga an'io

   Manakory aby, tsika ao
   Kely sakafo va, no tsa mahita tory
    
 Ny saonjo atao be am-patana
 Tsa mahavoky ny mpianakavy
 Ny tena mahia ,dia koa ny hakagna
 Ny troka mitombo,fa tsa matavy
 
 Rehefa avy ny havarata
 Fotoa mampanjeky ny KITROY
 Ny hanina ho hanina koa tsa hisy
 Ny asa amin'io vao tena misy
 Sarotsa ny fiaignana....

         TSIVAHINY

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)