VELOMA  IANAO  POLETY


Veloma ianao Pôlety
Masina Razinety
Apetrako eto i Gety
Fa sasa-miandry Odety
Veloma rô

Lazao i Serafiny
Nariako hoe i Josefiny
Nasoloko an'i Odily
Ilay zandrin'i Sesily
Ho faly izy e

Ilay sarinao ry Edity
Nodoran'i Judity
Noheveriny ho Adeliny
Ilay endrik'i Ameliny
Mba sompatra

Ny lahy natao hihaza, marina io !
Ny vavy atao fitady, marina io !
Ka tsisy fadifady
F'izay no fomban-tany
K'aleo hifampitady
Fa vita nanahary
Sa ahoana lahy ?
Ekena !


Erick Rafilipomanana

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)