VELOMA  RY  FAMOIZAM-PO


Veloma ry famoizam-po
Fa tapak'izao ilay tady nandrohy
Hanidina lavitra
Ny zana-toloha
Hiaina any an'ala
Fonenan'tsy toha

Veloma razandry
Itondrao ity fitia
Hendre amin'ny sisa
Aza be siasia
Ny fihavanana anie
Tsy mba azo terena
Tsy mba voavidin'ireo volamena


Justin RAJORO

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)