VERY VAKANA


O ry zavavy e ! O ry zavavy e !
Zavavy, zavavy, azafady zavavy
Nankaiza ny vadinareo
Raha tianareo mba lazao

O ry zalahy e ! O ry zalahy e
Zalahy, zalahy, azafady zalahy
Izy anie ry zalahy ka lasa nandranto any an'ala
Hitafianay soasoa

Raha sendra maty atao ahoana
Fonosy ravin-tatamo
Tsy mahafono azy izany
E ! e ! e ! Lahy e !
Sambasambain'ny ratsy
Hiavian'ny soa ry zalahy
Izany indrindra, izany zareo

Very vakana izahay ry zavavy
Vakana inona moa ?
Jijy kely sarobidy ry zavavy
Ambarao ka lazao
Fa sao mba hitanareo ry zavavy
Dia ny fitandroana ny marina
Ary ny fitanana ny hitsiny

Andeha re mba hiara-mitady
Fa osa izahay ka tsy mahalia lālana
Andao fa hiaraka isika
Andao re mba hitady ny marina
F'izany indrindra no tena mampiadana


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)